Fametrahana ny Haute Cour de Justice : tsy voahaja ny lalàm-panorenana

0

Hatsangana tsy ho ela ny fitsarana avo natao hitsarana ny mpitondra fanjakana na ny Haute cour de justice, raha ny voalazan’ny filohampirenena. 4 taona aty aorian’ny tokony nametrahana izany vao milaza ny filohampirenena fa ho vonona tsy hoe la ny fametrahana io rafitra io. Misy ny fahavononana hametraka izany hoy ny tenany, tsy tahaka ny fitondrana nisy tany aloha.