Fampidiran-ketra : afaka misitraka antontam-baovao avy amin’ny firenena hafa i Madagasikara

0

Hamafisina ny fanaraha-maso ny vola miasa sy mihodina amin’ireo orinasa vaventy miasa eto Madagasikara, hahafahana manamafy ny fangaharahana, entina hanatsarana ny fampidiran-ketra eto amintsika. Afaka misitraka ireo antontam-baovao momba ny hetra avy amin’ireo firenena 150 mpikambana amin’ny Forum Mondial manoloana io i Madagasikara. Nanomboka androany ny atrikasa fanamafisana traikefa mikasika ny fangatahana io antonta-baovao , na ny information fiscale io.