Fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana : tsy tokony hialokaloka amin’ny resaka politikam-panjakana

0

Raha toa ka ny 08 oktobra hatramin’ny 6 novambra no fotoanan’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filohampirenena, Ny filazana hoe « fidio aho » no tsy mbola azo atao amin’izao fiatrehana ny fotoana alohan’ny fampielezan-kevitra izao hoy ny CENI. Ankilany, tsy tokony ho saromana amin’ny politikampanjakana ny vina entin’ny antoko na mpanao politika iray amin’izao fotoana ankatoky ny fifidianana izao raha ny fanazavan’ny mpandinika politika nanaovana fanadihadiana.