Fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana : voararàn’ny lalàna

0

Manoloana ny tranga niseho tany Toamasina, tamin’ny fanentanana nataon’olon-tsotra iray hifidy ny filohan’ny antoko TIM Marc Ravalomanana, nanambara ny teo anivon’ny CENI androany fa mahavoasazy ny kandidà izany raha toa ka voamarina ho nisy hifandraisany tamin’ny tenany manokana io fiantsoana mialohan’ny fotoana io. Etsy ankilany, miankina amin’ny fisian’ny fitoriana no ahafahan’ny eo anivon’ny CENI manao fanadihadiana manoloana ity raharaha ity.