Fampiharana ny ACD : Tsy nifanarahana tamin’ny sehatra tsy miankina

0

Tsy nisy ny fifanarahana teo amin’ny mpitondra sy ny sehatra tsy miankina amin’ny fampiharana indray ny rafitra ACD eto Madagasikara raha ny fanambarana avy amin’ny SIM na Syndicat des Indutries de Madagascar. Tokony hisy fifampiresahana mialohan’ny hirosoana amin’izany. Etsy ankilan’izay, nisy ihany koa ny atrikasa entina hametrahana lalàna momba ny Indostria eto Madagasikara izay nokarakarain’ity sendika ity.