Fanajariana sahandriaka tany Sahanonoka Andekaleka : tontosa tamin’ny Alakamisy faha-4 oktobra

0

Tontosa tany Sahanonoka Kaominina Andekaleka Disitrikan’i Brickaville tamin’ny Alakamisy faha-4 oktobra lasa teo ny fanajariana ny sahandriaka na ny « bassin versant ». Ity sahandriaka ao Sahanonoka ity dia isan’ireo sahandriaka mitoetra ambonin’ny barazin’Andekaleka, izay mamatsy rano ny milina mpamokatra herinaratry ny JIRAMA ao Andekaleka