Fanambarana MDN

0

Fotoana fohy taorian’ny fanambarana nataon’ny prefet de police omaly maraina, nanao fanambarana ihany koa ny minisitry ny fiarovam-pirenena mikasika ny fanakanana hiditra teny amin’ny Lapàn’ny Tanàna. Tsy manatanteraka iraka manokana mifanohatra amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ireo mpitandro filaminana raha ny fanambarana nataon’ny minisitry ny fiarovam-pirenena. Ankoatra ny fiarovana ny vahoaka sy fialana amin’ny mety hisian’ny korontana no anton’ny fisitahan’ny mpitandro filaminana raha ny fanazavana hatrany.