Fanamboaran-dalana eto Antananarivo : ny fanjakana no tompon’antoka

0

Ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy no tompon’antoka amin’ny fanamboaran-dalana sy sisin-dalana eto Antananarivo amin’izao fotoana izao, raha ny nambaran’ireo Ben’ny tanàna nanaovana fanadihadiana. Ny Banque européenne d’investissement (BEI) kosa no mamatsy ny vola hanatanterahana izany.