Fanaratoana tsy ara-dalàna : fatiantoka manodidina ny 350 tapitrisa dolara isan-taona

0

Mihoatra ny 350 tapitrisa dolara isan-taona ny vola very vokatry ny tsy fifehezana ny sehatry ny jono eto Madagasikara raha ny nambaran’ny minisitra tomponandraikitra. Ny tsy fisian’ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina, ny tsy fahampian’ny fanarahamaso sy ny fitiliana ny fanaratoana tsy ara-dalàna no olana raha ny fanadihadiana natao.