Fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena: miandry ny fampiharana ny lalàna ny AVG

0

Anio no fotoam-pitsarana ho an’ireo olona saika hanondrana sokatra ny volana Novambra 2016 teo. Fanindroany tamin’ity no nihemotra ny fotoam-pitsarana. Miandry ny fampiharana ny lalàna ny fiarahamonim-pirenena Alliance Voahary Gasy . Enim-bolana hatramin’ny 2 taona an-tranomaizina sy fandoavana lamandy no andrasana amin’izany raha ny fanazavana azo. Tsy mbola fantatra kosa ny tohin’ny andramena tratra tany amin’ny Cap Masoala.