Fanorenana ifotony : ny mpitondra ho laniam-bahoaka no hanatontosa azy

0

Manaitra ity hetsika tadiavin’ireo mpanao politika efa fanta-bahoaka ho tontosaina anio etsy amin’ny kianjan’ny 13 may ny amin’izay lazainy ho fanorenana ifotony. Hita mazava fa hetsika ho entina hanemorana fifidianana tsotra izao ity hetsika ity, satria ireo mpanao politika mivondrona ho amin’ity fanorenana ifotony ity sy izay manosika azy avy ato ambadika dia olona hita fa fadiranovana hiatrika izany fifidianana izany.