Faritra Alaotra Mangoro sy Atsinanana : kaominina miisa 4 hisitraka ny tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana

0

Kaominina miisa 4 ao anaty ny faritra Alaotra Mangoro sy ny faritra Atsinanana mandritra  ny herinandro no hisitraka tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana amin’ny alalan’ny « Caravane médicale ». Hetsika ara-tsosialy natao hanampiana ireo mponina lavitry ny tobim-pahasalamana sy ny fanarenana ny sehatry ny fahasalamana manoloana ny fisihan’ny valan’aretina.