Fetim-pirenena Frantsay : nihompana betsaka tamin’ny fifidianana sy ny fakana an-keriny ny lahatenin’ny Masoivoho Frantsay

0

Manohana ny fanatanterahana fifidianana malalaka, tsy manavaka ary mangarahara ao anatin’ny fe-potoana mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana i Frantsa. Io no nivoitra nandritra ny kabarin’ny Masoivohon’ny Frantsa eto Madagasikara, nandritra ny fankalazana ny datin’ny 14 jolay. Mahatsiaro ho tandindomin-doza amin’ny fakana an-keriny eto amintsika ihany ny teratany vahiny raha ny fanazavana.