Fifidianana filohan’ny repoblika: hamoraina ny hala-bato

0

Miverin-dalana amin’ny fomba fikarakarana fifidianana indray ny fanjakana raha ny hita amin’ny andinin-dalàna sasany ao anatin’ny volavolandalàna momba ny fifidianana filohan’ny repoblika. Mety ho hatao bileta misaraka ny ampiasaina amin’ny fiodinana faharoa amin’ny fifidianana filohan’ny repoblika raha ny voalaza. Fomba izay efa hita sy voaporofo fa manome vahana ny hala-bato teto amin’ny firenena.