Fifidianana Solombavambahoaka : azon’ny IRD ny maro an’isa

0

Ny solombavambahoaka IRD na Isika Rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina no maro an’isa eny anivon’ny Antenimierampirenena araky ny voka-pifidianana ofisialy navoakan’ny HCC. Ny eny anivon’ny fitsarana kosa no manapan-kevitra mikasika ireo solombavambahoaka lany manana raharaha eny anivon’ny fitsarana. Etsy ankilany, tsy nampiova ny voka-pifidianana ny fanafoanana vato samihafa nisy.