Filoha lefitry ny Ceni : tafapetraka ara-pomba ofisialy androany

0

Tontosa androany teny anivon’ny Fitsarana Tampony Anosy ny fihanianana nataon’ny filoha lefitra vaovaon’ny CENI. Isany fanontaniana voalohany nitondrany ny fomba fijery ny mahakasika ny fifidianana Loholon’i Madagasikara ny faha-11 desambra ho avy izao. Nambarany fa tsy tokony ho sakana ny mbola tsy fahavitanan’ny fifidianana kaominaly, izay voizin’ny maro ankehitriny.