Filohan’ny Antenimierandoholona : tontosa ny maraina teo ny famindram-pahefana

0

Tontosa ny maraina teo teny amin’ny Lapan’Anosikely ny famindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha, Rivo RAKOTOVAO sy ny filoha vaovao RAZAFIMAHEFA Herimanana. Tokony hanara-dalàna hatrany ny Loholona hoy ny filoha teo aloha indrindra ireo mpanao Politika. Nanamafy kosa ny filoha vaovao fa hijery sy hiahy ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.