Fitsarana : hitokona ny mpitsara, hitokona ihany koa ny mpiraki-draharaha

0

Hanao fitokonana fampitandremana ny mpitsara manerana ny Nosy ny alakamisy faha-8 sy zoma faha-9 jona ho avy izao. Hitokona ihany koa ny mpiraki-draharaha rehetra manomboka ny alakamisy izao ary milaza ny tsy hamarana izany raha tsy mivaly ny fangatahan’izy ireo.