Fivarotana tsy ara-dalàna ny tanin’ny CUA : mandeha ny fanadihadiana

0

Efa mandeha ny fanadihadiana sy ny fisamborana ireo izay voarohirohy amin’ny raharaha fivarotana tsy ara-dalàna ny tanin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra amin’izao fotoana izao. Nanambara ny teo anivon’ny MAHTP fa tsy ny eto amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ihany no hanaovana fanadihadiana amin’ny tany namidy tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, fa ireo kaominina rehetra manerana ny Nosy.