Tafiditra ao anatin’ny famatsiambola FEC, taorian’ny fandinihan’ ny filankevim-pitantanan’ny FMI ny antontan-taratasin’i Madagasikara, nankatoavin’izy ireo ny famoahana ny ampahany faharoa amin’ny vola ho an’i Madagasikara. Vola mitentina 42 tapitrisa dolara no ho azon’i Madagasikara afaka 10 andro. Raha ny fanazavan’ny mpahay toekarena, laharam-pahamehana ho an’i Madagasikara ny fiaraha-miasa amin’ny FMI saingy olana ara-pitantanana no misy eto amintsika ary maha boka trosa ny firenena.