FOMM : latsaka an-katerena ny sehatry ny harena ankibon’ny tany

0

Maro amin’ireo fanapahan-kevitra noraisina teo anivon’ny filan-kevitry ny Minisitra ho fanarenana ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany no tsy misy tohiny hatreto araka ny fitarainan’ny Fédération des Opérateur Minier de Madagascar na ny FOMM. Mitarazoka ny famoahana ireo didy fampiharana ireo fanapahan-kevitra ireo izay misy fiantraikany goavana amin’ity sehatra ity. Manao antso avo araka izany ireo mpandraharaha ny amin’ny tokony hanafainganana ireo didy fampiharana ireo fanapahan-kevitra ireo.