Haino aman-jery : Tokony ho mpanabe hoy ny Ilontsera

0

Zava-dehibe eo amin’ny fainam-piarahamonina ny fisian’ny haino aman-jery, hoy ny teo anivon’ny ONG Ilontsera. Manana ny andraikiny lehibe izy amin’izany, na ny haino aman-jery izay manohana ny fitondrana na ihany koa ireo manohitra izany. Mpanabe sy mpitaiza ny fiarahamonina ihany ko ny haino aman-jery etsy ankilan’izay ka tsy tokony hisy ny sakantsakana isan-karazany.