JIRAMA : Aimé Olivier Jaomiary no tale jeneraly vaovao

0

Jaomiary Olivier Aimé no voatendry ho tale jeneraly vaovaon’ny orinasa Jirama araka ny didi-panjakana navoakan’ny filankevitry ny minisitra omaly hariva . Olom-baovao eo amin’ny sehatry ny angovo ity tale jeneraly vaovao ity raha ny fantatry ny maro. Teo anivon’ny orinasan-tseratsera sy fifandraisan-davitra no niasany teo aloha.