Andraisana fepetra entitra ireo kandida solombavambahoaka tsy manara-dalàna mandritra izao fotoanan’ny fampielezan-kevitra izao hoy ny Ceni. Fandoavana sazy ara-bola mety hiafara hatramin’ny fanafoanana ny vokatra no mahazo ireo kandida minia mandika lalàna.