M/S Francia : olona 16 tamin’ireo mpandeha 230 hatreto no hita faty, ny 50 velona

0

Miisa 16 hatreto no hita faty, 50 hita velona tamin’ireo olona miisa 230 niaraka tamin’ilay lakanaantsoina hoe FRANCIA izay dobo teo anelanelan’Andrangazaha sy Antsiraka ny maraina teo tokony ho tamin’ny 9 ora. Olona nandeha nitady vola tany Mananara-Avaratra « saison jirofo » no ankamaroan’ny tao anatiny. Mbola mitohy ny fikarohana hatramin’izao.