MATP : mitohy ny fanamboaran-dalana

0

Lalana 11km latsaka no hamboarin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ao amin’ny kaominina 3, Ampitatafika, Androhibe ary Alatsinain’Ambazaha any amin’ny Distrikan’Atsimondrano. Androany, nijery ny fizotry ny  asa teny an-toerana ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy sy ny delegasiona niaraka tamny. Tanjon’ny fanamboarana ny  hamahana ny olan’ny mponina.