MATP/SAMVA/CUA/APIPA : nisitraka fiara tsy mataho-dalana amin’ny alalan’ny tetikasa PIAA

0

Nanolotra fiara tsy mataho-dalana ho an’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny SAMVA ary ny APIPA ny firenena frantsay sy ny Vondrona Eropeanina, amin’ny alalan’ny Tetikasa Programme Intégré d’Assainissement d’Antananarivo (PIAA). Natao hanamafisana ny fanaraha-maso ireo asa fanadiovana ny fotodrafitrasa mikasika ny fivoahan-drano eto Antananarivo sy ny manodidina ireo fiara ireo.