MMM : Mialà rehefa tsy mahavita fa tsy ny Lalàmpanorenana no kasihina

0

Nambaran’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga nanoloana ny mpanao gazety omaly nandritra ny « Rentrée politique »-ny fa tapitra amin’ny faha-25 janoary 2019 ny fe-potoana fiasan’ny Filohampirenena ankehitriny. Aorian’io daty io dia Filoha lanim-bahoaka tamin’ny fifidianana vaovao no tokony ho eo. Tsy misy antony tokony hanovàna ny Lalàmpanorenana ihany koa hoy ny antoko MMM satria io no efa niasan’ny mpitondra na tsy nohajainy aza nandritra ny 4 taona. Mbola manamafy ny maha antoko mpanohitra azy ny MMM.