Mpivarotra tsena Noely Parvis Analakely : honero ny saran’ny 5 andro tsy hivarotana

0

Fanaparam-pahefana sy fanaovana botolo no andikan’ireo mpandray anjaran’ny tsenan’ny noely ny fanesorana azy ireo, tetsy amin’ny tokontany malalaky ny lapan’tanàna sy ny manodidina omaly. Mbola tsy nahazoana valiny mazava ankilany ny anton’ny fanesorana ankaterena ireo mpivarotra, izay mitaky ny hanonerana ny saran’ny 5 andro tsy hivarotany.