Niroso tamin’ny fanesorana ireo fivarotana tsy ara-dalàna

0

Taorian’ny fampilazana natao, niroso tamin’ny fandravana ireo trano fivarotana tsy ara-dalàna ny eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Trano tsy ara-dalàna miisa 10 teny Analakely sy Soarano no narodana androany. Famerenana ny ara-dalàna sy ny hasin’ny tanàna hatrany no tanjona.