ONE Antaninarenina : misokatra ny fanadihadiana manoloana ny fahamaizana

0

Nanaitra ny be sy ny maro ny fahitana firehetana teny Antaninarenina omaly alina. Nirehitra ny ivon-toerana misy ny ONE nanomboka tamin’ny 9 ora alina ary tsy voafehy ny afo raha tsy afaka adiny 3 taty aoriana. Mbola tsy fantatra mazava hatreto ny tombam-bidin’ny fahamaizana sy ny mety ho fiantraikan’izany noho ireo antotan-taratasim-panjakana maro kilan’ny afo nandritra ny fahamaizana. Manoloana izany, nametraka fitoriana ny minisiteran’ny Tontolo iainana ary natomboka avy hatrany ny fanadihadiana.