Accueil Politique Plan Emergence Madagascar : amin’ity volana ity no hanoloran’ny fanjakana azy

Plan Emergence Madagascar : amin’ity volana ity no hanoloran’ny fanjakana azy

0
Plan Emergence Madagascar : amin’ity volana ity no hanoloran’ny fanjakana azy

Nohamafisin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha androany  fa amin’ity volana ity no hanolotra ny « Plan Emergence Madagascar » ny fitondrana ankehitriny. Io no isan’ny nisongadina nandritra ny fiarahabana tratry ny taona ny filoham-pirenena mivady natoan’ireo mpikambana eo amin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana, izay notarihin’ny filohan’ny HCC. Tonga nanome voninahitra ny filoha mivandy ihany koa ireo mpikambana eo anivon’ny Antenimeram-pirenena.