Préfet de Police : tsy marina ny filazana fa ny minisitry ny fiarovana no nanome alàlana ny hetsika

0

Tsy marina akory ny filazana fa nanome alalàna ireo mpanao fihetsiketsehana eny amin’ny kianjan’ny 13 Mai ny minisitry ny fiarovam-pirenena. Fomba fiady ho entina mamerivery ny saim-bahoaka fotsiny ihany izany. Ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ny OMC na ny Organe Mixte de Conception ihany no manana fahefana amin’izany araka ny lalàmpanorenana Malagasy.