Accueil Economie Ravinala Airports : afaka averina dinihana ny fifanarahana tamin’i Madagasikara

Ravinala Airports : afaka averina dinihana ny fifanarahana tamin’i Madagasikara

0
Ravinala Airports : afaka averina dinihana ny fifanarahana tamin’i Madagasikara

Nambaran’ny minisiteran’ny fitaterana fa isan’ireo fifanarahana afaka haverina dinihana ny fifanarahan’i Madagasikara tamin’ny Ravinala Airports, amin’izao fotoana hametrahana ny paikady hanarenana ny kaompania Air Madagascar izao. Ny Ravinala Airports izay mitantana ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy Be, nanomboka ny taona 2016 ary mandritry ny 28 taona. Ity farany ihany koa izay maka « redevances » lafo indrindra aty amin’ny Ranomasimbe Indiana.