« Rocade d’Iarivo » : mamarana ny asa ankehitriny ny orinasa

0

Miditra amin’ny dingana famaranana ny fanamboarana ny lalana Rocade-n’Iarivo, na ny Rocade Est Nord Est amin’izao fotoana izao. Ity tetikasa ity izay tontosa tamin’ny alalan’ny fitohizan’asa ny fitondrana nifandimby. Tanjona ny hitondrana vahaolana samihafa ho an’Antananarivo amin’ny lafiny fanajariana ny tanàna.