Saritany sy taratasy fanamarinana fananan-tany – Atsimondrano : azo anatin’ny 5 minitra

0

Tsy tahaky ny teo aloha, latsaky ny 5 minitra dia mahazo ny saritany na ny Plan sy ny Certificat de situation juridique an’Atsimondrano ireo izay tonga maka izany eny anivon’ny sampandraharahan’ny fananan-tany Anosy nanomboka androany. Io maraina io no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny « guichet automatique de certificat de situation juridique et Plan  » ho an’Atsimondrano. Ankoatr’izay, napetraka ihany koa ny e-Fantatra, ho fisorohana ny filaharana eny amin’ny biraon’ny fananan-tany.