Solombavambahoaka : Mitomboka ihany ny karama na tsy tonga mivory aza

0

6 hetsy sy 6 tapitrisa Ar hatramin’ny 16 tapitrisa Ar ny tambirakama raisin’ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza. Iray volana nisokafan’ny fivoriana ara-potoana faharoa, tsy mbola nisy ny fahatongavana 100% n’ireo solombavambahoaka miisa 151. Fanaovana lalàna sy asa goavana mitondra vokatra azo tasapian-tanana amin’ny fiainamboahoaka anefa no takian’ny be sy ny maro amin’ireo olomboafidy ireo.