Tamberinandraikitra : Ny filohampirenena no tokony haneho izany voalohany.

0

Ireo olom-boafidy no tokony haneho ny tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka nifidy azy. Tomponandraikitra voalohany tokony haneho izany ny filohan’ny repoblika hipaka amin’ireo olona ambany fahefany hisian’ny vokatra azo tsapain-tanana eo amin’ny vahoaka Malagasy tantanany sy nifidy azy na tsia. Tsy izay nefa no zava-misy eto amin’ny firenena, ahiliky ny filoham-pirenena any amin’ny mpiasam-panjakana sy tomponandraikitra izay tsy nofidiana fa notendrena ny fanatanterahana izany.