Tanora Malagasy Miara-Miainga : Nanampy ny tantsaha teny Manandriana

0

Misedra ny olana amin’ny fambolena vokatry ny tsy fisian’ny rotsak’orana sy ny tsy fahampian’ny rano ihany koa ny tantsaha eny amin’ny faritra avaradrano. Tsy manana vahaolana amin’ny fambolena ireo tantsaha ankoatra ny fiandrasana orana. Nanampy azy ireo tamin’ny alalan’ny fiantohana moto-pompe sy fanomezana solika ampandehanana io milina io ny tanora Malagasy Miara Miainga.