Vaksiny covid – 19 : malaina amin’ny fanaovam-baksiny ireo mponina any ambanivohitra

0

Nanolotra vaksiny Pfizer 01 hetsy doses ho an’ny fanjakana Malagasy ny gouvernemanta amerikanina tamin’ny ity herinadro ity. Tafiditra ao anatin’ny paikady iadiana amin’ny aretina covid-19 maneran-tany ny fanampiana vaksiny raha ny fampitam-baovao. Ankilan’izany, tsapa fa mbola vitsy ireo izay misafidy ny anao vaksiny indrindra ireo mponina mipetraka any ambanivohitra raha ny fanadihadiana teny amin’ny kaominina Ambanivohitra iray.