Vidin-tsolika : mitohy ny fitadiavana vahaolana

0

Eo amin’ny lafiny toekarena, na sady tsy niakatra no tsy nidina ny vidin-tsolika hatreto, nanamafy ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola fa mitohy ny fitadiavana vahaolana amin’izany. Nilaza ity farany fa hivoaka ato ho ato ny didim-panjakana momban’ny fitohizan’ny fifanarahana sy ny fomba rehetra ampidinana ny vidin-tsolika.