Vidin-tsolika : Niakatra indray

0

Nahitana fiakarana indray ny vidin’ny solika eto amin’ny tsena anatiny tamin’ity fiandohan’ny volana Avril ity. Niakatra 40 ariary ny lasantsy ary niakatra 30 ariary ny gasoil. Hatreto, mitohy ny fiakaran’ny vidin’ny lasantsy na misy aza ny fahazoan’ny sandambola malagasy aina.