Vono olona tao Analavory : nidoboka am-ponja 15 taona ireo nahavanona ny loza.

0

Roa taona aty aoriana vao vita ny fitsarana ireo olona 11 voarohirihy tamin’ny famonoana olona tao Ambohitratoandro Kaominina Analavory. Naharitra 2 andro ny fitsarana vao nivoaka ny didy. Sazy an-tranomaizina 15 taona miampy lamandy 20 Taprisa Ariary no azaon’ireo voapanga.