10 aprily 2019 : vita sonia ny famatsiam-bola RN 5A (150 km)

0

Androany faha-10 aprily 2019 maraina tamin’ny 10 ora sy sasany vao vita sonia ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny fanjakana Malagasy sy ny fitondrana Sinoa teny amin’ny Lapan’Iavoloha, amin’ny famatsiam-bola ny fanamboarana ny lalàna RN 5A mampitohy an’Ambilobe amin’i Vohémar. Lalàna izay efa nampikaikaika ny mponina any amin’ny Faritra SAVA sy DIANA ampolon-taonany maro.