samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 12 février 2018

Houcine ARFA : nitory ny minisitry ny Fitsarana sy olona akaiky ny Filohampirenena Malagasy any Frantsa

0
Raha tokony ho notsaraina tamin’ny Zoma faha-9 febroary lasa teo ny raharaha nahavoarohirohy an’i Houcine Arfa teto Madagasikara dia nahemotra amin’ny faha-9 martsa indray araka ny fangatahan’ny mpisolovava azy. Nitory ny minisitry ny fitsarana Malagasy sy olona vitsivitsy akaiky ny Filohampirenena RAJAONARIMAMPIANINA any amin’ny fitsarana any Frantsa ihany koa anefa i Houcine ARFA.

EDITO

0
Fahadisoana teo amin’ny fampidirana ireo tarehimarika no anton’ilay resabe teo amin’ny tsenambarom-panjakana taona 2016 raha ny fanazavana nomen’ny Tale jeneralin’ny ARMP ny zoma teo ka niampy aotra telo ny sora-bola. Fa inona no nahadondona sy nahamaika ny namoahana iny tatitry ny tsenambarom-panjakana 2016 iny ka nahatonga ny fahadisoana ? Iza no nanery satria raha ny tokony ho izy tsy hamehana ny famoahana azy iny.