dimanche 05 mai 2024
Accueil 2018 février

Archives mensuelles: février 2018

Team Building Mantasoa : hitondra inona ho an’ny firenena ?

0
Nifarana omaly ilay “Team Building” nataon’ny governemanta MAHAFALY Solonandrasana tany Mantasoa. Ho fanatanterahana ny vina 2030 ny Filoha RAJAONARIMAMPIANINA Hery no antony. Mametram-panontaniana ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy ny hoe : inona ny vokatra azo tamin’ilay PND na ny Plan National de Développement no avy hatrany dia ity vina 2030 ity no hanaovana drafitra?

CENI : tsy afaka mikarakara fifidianana Filohampirenena raha tsy misy lalàna vaovao

0
Manoloana ny mbola tsy fivoahan’ireo volavolan-dalàna hifehy ny fifidianana Filohampirenena volana vitsy mialoha ny tokony hanatanterahana izany araka ny lalàmpanorenana dia manome fanazavana ny Filoha lefitry ny CENI amin’ny lalàna ahafahan’izy ireo manatanteraka ny asany aloha hatramin’izao.

KMF / CNOE : mitaky ny famoahana ny lalàna sy tetiandrom-pifidianana

0
Mampaneno lakolosy fanairaina indray ny fiarahamonim-pirenena ny amin'ny tokony hamoahan'ny fitondrampanjakana ny lalàna mifehy ny fifidianana marina sy ny fanendrena ny tetiandrom-pifidianana na ny hanomezany fahefana ny CENI hanatanteraka izany. Raha ny tokony ho izy, valo volana mialoha ny fotoam-pifidianana raha kely no efa eny am-pelatanan'ny teknisiana sy ny mpisehatra io lalàna io hahafahana manao ny fanomanana.

CENI : tsy misy lalàm-pifidianana azony iasana hatramin’izao

0
Volana vitsy monja tokony hiatrehana fifidianana Filohampirenena, mbola tsy misy ny lalàna hifehy izany fifidianana izany. Mampametram-panontaniana ny mpanara-baovao anefa ny nilazan’ny CENI fa azony ampiasaina hikarakarana fifidianana ny lalàna teo aloha.

Houcine ARFA : nitory ny minisitry ny Fitsarana sy olona akaiky ny Filohampirenena Malagasy any Frantsa

0
Raha tokony ho notsaraina tamin’ny Zoma faha-9 febroary lasa teo ny raharaha nahavoarohirohy an’i Houcine Arfa teto Madagasikara dia nahemotra amin’ny faha-9 martsa indray araka ny fangatahan’ny mpisolovava azy. Nitory ny minisitry ny fitsarana Malagasy sy olona vitsivitsy akaiky ny Filohampirenena RAJAONARIMAMPIANINA any amin’ny fitsarana any Frantsa ihany koa anefa i Houcine ARFA.

EDITO

0
Fahadisoana teo amin’ny fampidirana ireo tarehimarika no anton’ilay resabe teo amin’ny tsenambarom-panjakana taona 2016 raha ny fanazavana nomen’ny Tale jeneralin’ny ARMP ny zoma teo ka niampy aotra telo ny sora-bola. Fa inona no nahadondona sy nahamaika ny namoahana iny tatitry ny tsenambarom-panjakana 2016 iny ka nahatonga ny fahadisoana ? Iza no nanery satria raha ny tokony ho izy tsy hamehana ny famoahana azy iny.