26 Juin : nisy ny fizarana fanomezana tamin’ny alalan’ny tombola teny amin’ny Kianja Barea

0

Isan’ireo nampiavaka ny hetsika fankalazana ny faha 62 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina androany ny fisihan’ny fizarana fanomezana ho an’ireo mponina tamin’ny alalan’ny Tombola. Fanomezana lehibe indrindra nandritra izany ny trano mora iray eny Imeritsiatosika izay azon’ny tapakila laharana 24 658.