29 Martsa 1947 : hamelomana ny fitiavan-tanindrazana

0

Ny fahatsapantena sy ny fiarahamientan’ny olompirenena tsy ankanavaka no ahafahana manarina haingana ny firenena. Io no hevi-dehibe novoizin’ny teo anivon’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena nandritra ny fanokafana ny fampirantiana momba ny 29 martsa 1947 tetsy Analakely. Tokony handray lesona amin’ny fitiavan-tanindrazana nasehon’ireo mahery fon’ny firenena ny rehetra hoy ny fanazavana.