3ème Forum National Urbain : tontosa nanomboka androany ka hatramin’ny 09 oktobra

0

Nisokatra amin’ny fomba ofisialy androany, ary aharitra 3 andro ny Forum National Urbain andiany faha-3; izay tontosaina ao amin’ny village Voara Andohatapenaka. « Tanan-dehibe, fanoitra ho amin’ny fampandrosoana haingana sy moderina an’i Madagasikara » no lohahevitra amin’izany. Nanamafy ny minisitra Hajo Andrianainarivelo nandritry ny fanokafana fa zava-dehibe ho an’I Madagasikara ny fampandrosoana ny tanan-dehibe. Hetsika maro no hotontosaina mandritra ity fikaonan-doha nasionaly ity.