6e Sommet UE-UA : natomboka androany tao Bruxelles ary hifarana rahampitso

0

Natomboka androany tao Bruxelles ary hifarana rahampitso ny fihaonana an-tampony faha enina ho an’ny Vondrona Eropeana sy ny Vondrona Afrikana. Isan’ny hiompanan’ny lahadinika ny fampandrosoana, ny fahasalamana ary ny fandriampahalemana sy ny fiovan’ny toetr’andro. Mandray anjara amin’io fihaonana an-tampony io i Madagasikara.